Js_twins - Madagasikarako

Misy toerana ato am-poko
Ho an'ny nosy iray tsy foiko
Nosin'ny hiran'ny fahazazako
Mbola reko manakoako

Isanandro isanandro aho
Mahatsiarotsiaro anao
Ary isanandro isanandro aho
Manantena hahita anao

Ianao ry Madagasikarako
No nipoiran'ny tantarako
Nanome ahy ny anarako
Tanindrazana malalako

'ty hira ity ho anao ry taniko
Fa ny toerana rehetra nindramiko
Dia tsy nisy mbola mamiko
Mihoatra anao ry ilay akaniko

N'aiza n'aiza misy anay
'Zahay zanakao mandrakizay
Ka ny mba hany vavakay
Ianao ho sambatra amin'izay

Written by:
JS TWINS Mathile

Publisher:
Lyrics © O/B/O DistroKid

Lyrics powered by Lyric Find

Js_twins

View Profile
Madagasikarako - Single Madagasikarako - Single