Js_twins - Ianao

Ianao
Ilay silam-panahy,
Fy ny ankilanao
Ianao
Ilay tsara fanahy,
Hiandry aho fa efa anao
Fa ny amintsika tsy ho rava
Fa ianao ihany
Ianao no ato an-tsaiko
Fitiavanao tsy ho lany
Ianao ihany, ianao no ato am-poko
Endrikao ilay meva
Fa miverena, ianao irery ihany
Miandry anao
Ianao no tiako
Ianao irery ihany
Aminao izaho faly
Ianao irery ihany
Fa ianao lalaiko e
Ianao ilay tiako e
Ilay faniriako e
Izaho anao irery ihany
An-doha e, ireo fihetsikao
Tsy hiala am-po e, tenako nanjakanao
Ny any aminao, alavitra iny
Tsy miala am-bavako ao
Sarinao sisa tavela e
Ahatsiarovako anao
Te ho any aminao alavitra iny
Tsy miala ao am-bavako ao
Te ho any aminao, indray andro any
Sasatra miandry anao
Tsaroanao ve ireo teny nolazainao ahy
Ny orokao tsy anenenana
Fihininao mafy tena tavela ´zaho
Ianao menamenatra
Ianao no tiako
Ianao irery ihany
Aminao izaho faly
Ianao irery ihany
Fa ianao lalaiko e
Ianao ilay tiako e
Ilay faniriako e
Izaho anao irery ihany

Written by:
Alain RAVAOJANAHARY, Malala RAVAOJANAHARY

Publisher:
Lyrics © O/B/O DistroKid

Lyrics powered by Lyric Find

Js_twins

View Profile